Ianao omaly.. (David Andrianalaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao omaly....


Tandindon'ity fiainako
Ilay fitia nandalovako
Tantara efa niainako
No efa mba nolalovako

Ankehitriny efa niova
Tsy toy ireny taloha
Fitia tao anaty rova
Indrisy fa efa tsy nifoha

Ny lalako feno fandrika
Diamondra voahitsaka
Fa satria tsy nitandrina
Endre nibolisatra.....

Fitia tampitrohatra
No tohatra niakarako
Ianao nanome ohatra
Tamin'ity tantarako

Fa aiza ary tsy hitako intsony
Ilay fitiavantsika nifamaly
Hatramin'izao ity fo tsy tony
Variana mitady ilay ianao omaly


David Andrianalaina
12 septembre 2021
--------
Rohy:
400 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : David Andrianalaina
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 12/10/2021 15:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094