Iny alina iny Alina miso (David John Lee Andrianalaina)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny alina iny

Alina misompatra
Nandratra ny fo
Tsisy nanohitra
Ilay fitia efa lo

Nahoana ianao
Niverina indray
Namerina ny lasa
Izay vita hatrizay

Iny tavanao iny
Ry Tiako malala
Mampatsiahy ny fahiny
Mahalasa adala

Tonga indray ity alina
Hamely ny foko torotoro
Izay tsy laitra anarina
Fa fitia mandoro


Lee Andrianalaina
18jona 2021
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/david-john-lee-andrianalaina/iny-alina-iny-alina-miso
Sokajy : Alahelo
188 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : David John Lee Andrianalaina
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 13/07/2021 12:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2469