Tsisy tsirony - David John Lee Andrianalaina
Azo vakiana?
Tsisy tsirony
Rehefa iny ariva mangatsika
Sio-drivotra malefaka
Manembona voadintsika
Ka ity foa toa mitandrevaka
Ny fiainako tsy misy anao
Sarotra ihany fa atrehina
Mitaraina ny ao anatiko ao
Mitady fitia atao tehina
Hery miafina tsy hay resena
Fitiavako ianao ry lala....
Efa torotoro fa mbola manantena
Ity fo adaladala.....
Ity fiainako feno haizin-kitroka
Miandrandra anao mba ho jirony
Efa tany an-kafa fa tsy nifikitra
Ankoatranao tsisy tsirony...
Lee Andrianalaina
14 septembre 2021
Mombamomba
Mpanoratra : David John Lee Andrianalaina
Nampiditra : David John Lee AndrianalainaDaty : 14/10/2021
Mpamangy : 194
Mankafy : 0