Iny rahona iny (Diamondra Voasedra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny rahona iny
Mikorina mora
Hamonjy ny fodiany
Tsy hay izay hiafarany
Mirona tsy tana
Miankandrefana any

Ny ranomasonao
Mirotsak'eny foana
Raha misy ny fotoana
Tsy hisy fihafarany
Mirorona ny lalany
Raha milatsaka eo

Tefeo ny fonao
Ho voazaha toetra
Sy afaka hitoetra
Tsy manam-paharoa
Sarobidy ihany koa
Ka afeno ny amboa

Diamondra Voasedra. 01 jolay 2022
--------
Rohy:
310 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Diamondra Voasedra
Nampiditra : Diamondra Sarobidy
Daty : 15/07/2022 10:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0474