RATRAM-PANAHY (Diamondra Voasedra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Reko mibosesika tsy mihato ato anaty
Ny retsika mangina atroatry ny tsiahy
Fa maniry higoka ny mamin'ny fanahy
Ny etahetam-poko mibitsika aminao

Etsy mba tario hitady paradisa
Ity sakaizanao trotraka am-panahy
Efa leo ny ngidin'izao tontolo izao
Ka te himamy ny fiainana tsy hita

Sasatra misaina ny lasa efa vita
Atsingerin'ny olatra tohinan'ny vato
Ratra lasa fery no zary mampiery
Ny fo izay milofika ato anatiko ato

Etsy mba honony ny teny maminao
Ilay sary nofinofy mirafitra ho tontolo
Ho lapa iray misintaka izao rehetra izao
Hodiana rahatrizay rehefa mihongo-bolo

Diamondra Voasedra. 20 jolay 2022
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
361 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Diamondra Voasedra
Nampiditra : Diamondra Voasedra
Daty : 29/07/2022 17:21
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167