TONTOLO NOHARIKO (Diamondra Voasedra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nanangana tontolo tany an-efitra aho
Narodako ny haolo navelan'ireo Ntaolo
Nodorako ny lobolobo nameno tokotany
Mba ho fiainam-bao no hovantaniko Any

Noroahiko ny rahona nitondra oram-baratra
Mba ho endrika vaovao hanazava ny tontolo
Novoleko zaridaina ny nanodidina azy
Hamerovero hanitra sy handroaka ny lolo

Nasiako tranom-boky hofenoiko nofinofy
Zava-maneno hikaloiko ny hafaliana
Mba hisinda ny alahelo sy ny rofirofy
Raha ho avy anafik'ahy am-piadiana

Rary vy mirindrina no kalo hamefy azy
Rindram-peo milamina no iambim-bavahady
Hilaza ny vahiny miaody atsy ho atsy
Fa efa sambatra izy raha toa hanadihady

Diamondra Voasedra 07 jona 2022
--------
Rohy:
304 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Diamondra Voasedra
Nampiditra : Diamondra Sarobidy
Daty : 24/07/2022 17:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139