Ray (Dimbirazantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray!

Tafio ny Fitiavanao
Ho ambinina amin'izay atao
ity ray malalanay

Omeo tanjaka sy hery hamitany ireo adidiny
Bitsio azy fa tsy irery, misy Anao hialoha ny diany
Dia ny enim-polo taona tena isaoranay anao
Andrandrainay hitsingerina ny fotoana tahak'izao

Ary amaranako azy, indro misy teny farany
Tehirizo ihany koa izahay vady aman-janany
Mantsy izay no fifaliany, hery ho azy isa-maraina
Ny mahita ny olon-tiany sy ireto sombiniainy

Ray,
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
107 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dimbirazantsoa
Nampiditra : Dimbirazantsoa
Daty : 26/12/2023 14:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0276