ANY IANAO IZAY (Echlie Aichlia Honnie)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manembonembona matsiaro
Lasa toa saro-piaro
Hoe:ianao irery any
Ant alavi-davitr'any
Lasa saina manirery
Lay sari-drika kely
Sao ho lasan'olon-kafa
Lay malala tena tiako
Sady tsy foiko no tsy ariako
Any ianao izay...

Mipetradrery mangingina
Mahatsiarotsiaro ilay tina
S'ireo vita ihany koa
Miraikitra mafy ao andou
Ka lasa alavitra ny saina
Tsisy anao tsy mahazo aina
Fa hafa ihany eo ianao
Hasambaram-pifaliana
Sady tsisy mahasolo
No mahavita mokolokolo
Any ianao izay...

Eto aho malaelo
Lasa toa mamerovero
Tsy manan'afa tsy ianao
Ity fo tena tia
Aza avela de ho lao
Lay fitiavantsika ki
Fa lasa misy ahiahy
Ao ampo sy fanahy
Hoe:Lasan'olon'any ianao
De sanatria de handao
Any ianao izay...

Echlie Aichlia Honnie
Princesse Star Of Jesus (EAHPSOJ)
--------
Rohy:
211 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.055