NIFANOJO (Echlie Aichlia Honnie)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NIFANOJONifanojo ilay fo
Samy tena tia
Iaraka isika roa
Handeha hiara-dia
Sy ireo vinavina rahatrizay
Hanorina ho mandrakizay
Nifanojo ilay saina
De samy nahazo aina
Nilamina ny eritreritra
Hanambatr'ilay hevitra
Hiaran'orina ny ho avy
Antsitrapo fa tsy niangavy
Avy ao ampo tokoa
Ilay fitiavantsika roa
Nifanojo ny fanahy
Feno fifaliana avokoa
Nisintaka ny ahiahy
Tena tretrika tokoa
Azo ilay nantenaina
Dia izay nambabo
Sanatri tsy very maina
Isaorana ny avo
Echlie Aichlia Honnie
Princesse Star Of Jesus (EAHPSOJ)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Echlie Aichlia HonnieNampiditra : AsaphMahane
Daty : 24/11/2024 16:03