Ady ao anaty - edmond randrianandrasana
Azo vakiana?
Toy ny tanjom-pitoniam-po
mionona amim-boninkazo varimbariana
Iza no nitondra oroka teto
Fiaran'ny fo mitati-pitoniana
Sa kalesina molotra natosi-po very safidy
Ry foko,voninkazon'iza?
Toa miteny ami-maso
Fa fikasana farany amim-pitoniana
Kanefa hoy ny bitsibitsi-panahy amino
Oha-kintana kely saro-tadiavina
ao an-doharanom-pitiavana izy
Fa velona ihany
eo an-tanim-pitsiriritan'ny nofo
Indrisy ny fitiavany.
Isika ,he
Voninkazo ambony taho inona
Ianao nenjehim-paniriana
Avy aiza sy mankaiza?
Ianao,
Rediredin'avandra iray
Tadidiny fa hay mbola nisy hafanana
Tao ivelan'ny rindrin-dranomandry
Izay natao ho fara-lalany
Edmond rand
Mombamomba
Mpanoratra : edmond randrianandrasana
Nampiditra : randrianandrasanaDaty : 27/02/2017
Mpamangy : 617
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Du feuTerre de reve
Guerre interieur
Aiza ho aiza
Samy avy any an-kimbon-dreny malemy nofim-po
Avy ao amin'ny afo
Maty ilay mpamoron-kira
Ny hiranao
Valiha
Gitara