Maty ilay mpamoron-kira (edmond randrianandrasana)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Boky an'arivony no nadikanyfa tsy mba nisy tononkira nitomany azy
na fon-kira nangoraka ny fony
nandrotsa-dranomaso
niala-aina teo anatrehan'ny fanantenam-bokiny
Toy ny vitsika nitomany mamy
tany am-pon'ny sigam-bovoka
Indrisy,any ankoatry ny rivo-mainty matevina
Lanitra fievoran'ny rivo-peo maherin'ny onja
Sy fiaingan'ny nofim-peon'ny hirany
manavesatra ny molotry ny tany
ny voninkazo,ny kintana,ny ranomasina,ny tendrombohitra
Any,any ankoatry ny fahanginan'ny volana
any an-tampon'iry hantsana mampahory
ny tamingam-pony maintin'ny aloka nafoiny
mitomany eo am-pofoan-kintana matory
Any,
no misy ny lelany hazonim-pon'ny tany
Indro maty ilay mpamoron-kira
Izay tsy mba nivelona afa-tsy tamin'ny fanjonom-piononana
Edmond rand
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : edmond randrianandrasanaNampiditra : randrianandrasana
Daty : 27/02/2017 10:04