Avy ao amin'ny afo (edmond randrianandrasana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
1). Dragona inona,
no nandrora afo teto amin'ity saham-boninkazo
nohariana ho hatsarana?
O Voninkazon'i Satana
Ka may daholo ny tsikiny rehetra
Inona sisa? Mamela ahy
Tonom-bavaka fanaon-draolombelona
Isaky ny manota izy,
Tilikambon'i Babela,Tilikambon'i Babela,nofinofy
Izany anefa no mbola any am-pony
manan-tsofina va ny any am-bato?
Bokin'iza no hihoatra ilay nadikan'i Joba
ny amin'ny antom-pijaliana,
Sy ilay efa nosoratan'ny poetin'ny fahagagana voalohany?

Tsy ho anao izany ry poeziako,
Ry mpanonofy,
Izaho mijajirika mandevi-tena
miaraka amin'ny vatoben'ny finoana
Sintonim-bolon'ny fanantenana,
Manopy maso ny manodidina ahy aho,
Tsy mahita afa-tsy bolongan-tenim-pifonana
entin-dranomaso eo ambony taratasy
Ho an'ny fitadidiana
asidin-drivotra ho any ambadiky ny fanadinoana
Izaho tsy mahateny afa-tsy feo tokana
Toy ny boloky dia very anaka,
mirenireny eny an-tanin-jaza
Izay manao ny tenany ho mihanjaka
Ao anaty volom-piainana tsara kaly
Sy toy ny bongan-tany manam-po Main'eritreritra
Vao avy nianjeran'ny vato lehiben'ny fiainana
Tsy mba an'iza fa an'ny tenany ihany

Edmond rand
--------
Rohy:
919 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142