Embona mitohy (edmond randrianandrasana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sodi-namboarin-tsy hitony
ve sa lel'afo minia
mampahory ny tenany
Sa mbola misy tavela,inona anefa?
Inona fa vonona hono
Ny vorona na avo dia avo
Ny rivotra raha ilay nitsaharany
Fa voro-nisy elany ihany
Izany fanahy ao amiko izany

Izany,toa vonon-kandositra,fa nahoana?
Sa ve iry hofa-tanana avy any
no mampitamberina izany tadidy
Ka tsaroana ny maha irery an-tany??
Fa rivo-mifamaly no injao
Ao am-po mampanompo fANAHY
Ka ny nofo no manjary malazo
O!toa voro-nisy elany ihany
Izany fanahy ao amiko izany

Indray toa vonon-kanofy
Ilay fiainana efa nafoy,efa aiza?
Fa hatramin'ny mbola tsy misy
aza mampitsetra ny tena efa misy
Sa ireny no ilay tena fiainana?Angamba
Fa toa voro-nisy elany ihany
Izany fanahy ao amiko izany..


Edmond randrianandrasana 05 novambra 2016
--------
Rohy:
691 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139