Fitiavana mankaiza? (edmond randrianandrasana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mangotraka ny rano,miainga ny entona
vonombonona ny fo ary sahy
Inona? Fitiavana oha-dravi-maitso
Toa voninkazo tsy ho tra.kaintany
sy voron-kahataka-danitra
Izay mbola teraka indray
Izay mbola hisidina ihany

Oh! dia toa efa tsinjo izay hilentehany
Ity masoandron'ny fo efa mino
Ny fo tahaka anao ry volana mani-drotsirotsy
Laom-pahanginana ka miantso ireo kintana
Ireny kintana,moa mba inona
Ary vorona tsy manana elatra
Sa valala mahery fisaoty???

o! dia voavinany izay hianjerany
Ity andon'ny fo mitete
Ary angamba mba ho ravintsaonjo?
No hitaty sy hamihina foana
Tsia! hoy aho ary tsy aiza
Ity piti-drano antenain-tsy ho ritra
No hiraraka ao amin'ny fanantenany
Fa ho eto aminao eto ihany
Ry tanimbovo-kodiany tsy hita


Edmond randrianandrasana 07 novambra 2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1061 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136