You are here: home > Vetso

Mama malalako - edmond randrianandrasana

Azo vakiana?

Tsy ho tohizako intsony,tsy akory
Io lohatenin-kira,manasatra loatra ny fony
Sy toa hany mba azony adika
Toa satriny ery hiampita
Aiza tsy misy mpahita?
Tsy ho tohizako intsony tsy akory
Io teny kely,salohin-draozinay
Toa te honona mandrakizay
Toa te hanakatra volana iray
Sy izay avo indrindra ho anay
Tsy ho tohizako Intsony tsy akory
Io lohatenin-kira,manasatra loatra ny fony
Izay hany mba azony hatroatra
Toa sarotra ery tsy voavoaka
Tsy ho tohizako intsony tsy akory
Lohatenin-kira tsy mety voatana
Tsy ho tohizako intsony
Ao am-pony manginan'i mama
Midika:TIAKO NY ZANAKO MALALA

Edmond randrianandrasana
16 desambra 2016

Hametraka hevitra

Midira aloha