You are here: home > Vetso

Mandalo nofy - edmond randrianandrasana

Azo vakiana?

Tandremo! ny maso,ny fanahy,ny sofina,ny sainareo zanako
Handalo nofy isika
Nofy,valala very
Samborinareo,votsotro
Nofy,valala,mitady hanina
Ao amin'ny fahatanoran'ny bozaka
Nofy,zana-balala nafoy
Voatery mitsetra,voatery mizaha
Ny misy an-dreniny

Tandremo! ny maso,ny fanahy,ny sofina,ny sainareo zanako
Handalo nofy isika
Nofy,valala very
Samborinareo,votsotro
Tsy azo vonoina,
Tsy azo hatoka- monina,
Izao,ianao ,izy,izay voatendry
No avela hampionona,
Avela hisambotra azy
Any amin'izay hitsahinareo..

Edmond randrianandrasana
15 desambra 2016

Hametraka hevitra

Midira aloha