You are here: home > Vetso

Zavamanenon'ny maty - edmond randrianandrasana

Azo vakiana?

mitati-kira ho am-po matorin'ny fiainana
O!ory fitoniana
anaty lanitra mangina
Tinendrim-po miery
Hira no mba fiononany
Hira no tanjony farany
Hira tsy mbola voakasa
Na azon'ny ela-panahy
O!ory fitoniana
Kanefa avela hitia
Sy ho tiavina
O!ory zava-mahagaga indrindra
Toa mihoatra ny tanjom-pitiavana
Ory fahanginana
Izay mihoatra ny an'ny voninkazo
ny foko

Edmond rand

Hametraka hevitra

Midira aloha