Kibo saokin'ny nahiny - Eliza Freda
Ny fitiavana akory tsy sazy
Fa kibo saokin'ny ny nahiny ny azy
Tsy hanaovana teny amboletra
Ny safidin’ny fo no mba fetra
Ny fitiavana voatsangan-kiady
Ka any an-kafa zareo mba mitady
Ny aty tsy azo jokojokoina
Tsy azon’olona lotolotoina
Ny anay ny fitia
Dia fitia manan-kambo
Lolon-javatra, lolon’antambo
Raha omena vao mainka tsy mila
Izay mitoraka an’io kely ila.
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
ikalamako (20/08/2019 14:45:52)
Nasian'i Rasamy Gitara feony izy ity. Ato izay te hihaino azy : https://radiovazogasy.com/radio/hira/asehoy/10651
Mombamomba
Mpanoratra : Eliza Freda
Nampiditra : jantinaDaty : 08/08/2019
Mpamangy : 493
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
Hono?Hiran-jaza kamboty
Ilay reny tsy miteny
Vetsovetso takariva