Tsy misy na iza! (Elra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy misy na iza ilazako mangina
ny sitrako miafina ato an tratra
tsy misy na iza olona tiana
hanala ny aloka,hanala ny ratra

tsy misy na iza olona tsara
ibitsiako ny vetson ny foko
tsy misy na iza tsy hiazaka ny anjara
hitondra fitsiky,homono toloko

tsy misy na iza,zazavavy mba kanto
tsy misy na iza,fanja hamelana
hioty fitia anaty ny vato
ka ho rakotra tsilo ny akany fonenana

tsy misy na iza,olo malala
hitoriako fitiavana tokana an tany
tsy misy na iza,afaka hanala
'reo zay mangidy,tataovin-tomany

Anja(AnHa)
--------
Rohy:
780 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Elra
Nampiditra : elras
Daty : 03/02/2016 09:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133