Tsy anjara angamba... (Elysé Azrael)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana re ianao no nanaiky ho eto anilako,Kanefa anie ianao tsy ho ahy akory tsinona?
Toa tsy sitrakao izany hoe ho silako,
Kanefa koa izaho tianao hofihinina!
Nahoana re izaho no dia niraikiraiky,
Ka rehefa nantsoinao avy hatrany dia nanaiky?
Efa tsy anjara: tsy ianao intsony angamba,
No tendry mba hitantana ity foko jamba...
--------
Rohy:
Mpakafy:
Azrael666
