You are here: home > Vetso

IANAO RY OLON-TIKO! - ernest2015

Azo vakiana?

"IANAO RY OLON-TIKO"

Ianao ry olon-tiko
Ilay tovovavy nofidiko
Fidiko ho anjarako
Ka tsy ho voararako

Ianao ry olon-tiko
No mba hany fifaliko
Hatrizay efa niriko
Dia Ianao no hitokiako

Ianao ry olon-tiko
Dia 'lay mamy tsy hariako
Mamy tsy mba foiko
Satria mamy tsy hosoloiko

Ianao ry olon-tiko
No hazavana fahitako
Ny tontolo sy ny manodidiko
Noho ianao tsy ho voavidiko

Ianao ry olon-tiko
No mba hany hianteherako
Ianao no antom-pisiako
Ka ho foana ny hatezerako

Any aminao ry olon-tko
No hanalako ireo sorisoriko
Rotsirotsiko mangina
Any aminao ry olon-tiana

24/03/2015