TIKO LOATRA IANAO Avelao (ernest2015)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIKO LOATRA IANAO

Avelao aho maba hitia
hitia anao tsy hisalsala
hitia anao, hankafy
hitia anao ry malala

Nefa toa tsy nosaininao akory
izany faniriko
navelanao ho ngolingoly
ity foko ry olon-tiko

Avelao aho ho'aho
hitia ano mangina
hitia anao tsy ankiato
anilanao ry olon-tina

Efa ela ihany izay
nahalalanao fa tia
efa imbetsaka tsy indray
ity fiko mitory fitia

Mikiry mafy
ilay foko te-tia
tsy ho aiza akory izany
fa ny ho'eo anilan-jy

Ka mingavy aho
mandohalika mitalaho
resy aho,
eto anatrehanao

"Tia anao aho
Tia, tena tia
Babonao ny foko
Eny tena tia anjy"

Indray vao mahita
'lay endrikao mahafatifaty
mampi-te hanoroka iny
midobodoboka ny ato anaty

Ka avelao aho anky
na dia iray minitra monja
hitia sy hankafy
ny anilanao mafonja

Eny!fa dia tsy ho ahy aza ianao
dia tiko ho tsapanao
fa maniry mafy ny anatiko ao
satria: "TIKO LOATRA IANAO"

Ernest vohanson
18/01/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy - Fitiavana
2966 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133