IO FIANARANA IO (ernest2015)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IO FIANARANA IO no lova tsara indrindra
Ho anao manokana io ary lova tsy mifindra
Isika mpianatra izay mianatra tsara
No ho lova mendrik'ity Gasikara

IO FIANARANA IO ihany koa no lova soa
Ka izay mianatra tsara ihany no mahita ny soa
Koa andao ary mba hianatra tsy terena
Fa isika no hoavin'ity Firenena

Dia mbola IO FIANARANA IO ihany no ho entina mitady
Entina mitady hamelomana ny vady
Dia inona no ho entinao rehefa hitady asa?
Fa angaha hiverina intsony ny taona efa lasa?

Dia eto aho milaza momban'IO FIANARANA IO
Mianara tsara, eny, atombohy anio
Tsy mbola mitaky aminao aloha izy ankehitriny
Fa any aoriana any ianao vao ho takiany

Fa IO FIANARANA IO koa tsy hoe mampidi-doza
Fa mba miteny ihany aho hoan'ny ireo mitavozavoza
Hoe: fitiavana antsika daholo izany rehetra izany
Dia aleo mianatra tsara raha mbola eto an-tany

Ary IO FIANARANA IO no entina mananatra
Fa raha hitady ny soa, dia aleo ihany mianatra
Satria IO FIANARANA IO no mahatafita
Io no tetezana ahafahantsika mankany ampita.

15/01/2014
--------
Rohy:
2036 1
Mpakafy: ernest15
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164