You are here: home > Vetso

MIANDRY VALINY - ernest2015

MIANDRY VALINY

Ny mieritreritra, aza ela
Fa ny foko tena tia
Ity foko aza avela
Fa tia anao ho doria.

Ireo toky izay nomeko
Aza misy atahorana
Ny ho eo anilanao ekeko
Na dia ho avy aza ny orana.

Aza avela manirery
Na hisento lava foana
Fa raha sendra tsy mahateny
Ity vavako efa moana.

Ataoko fa ity fitavana ity
Tsy ifanerena,
Saingy rehefa tojo tena tia
Vao mahonena.

Ka mba valio am-panajana
F'izaho sasa-miandry
Hoe: IANAO 'LAY ANJARA
Fa ny saiko tsy mandry


Ernesr2015
13/11/2015

Sokajy : Fitiavana