NY HATSARANAO (ernest2015)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HATSARANAO

Ianao ilay mahafinaritra ato ampenarana fitaratra
Ianao ilay mahafatifaty, izay mijery anao miraratra
Ianao ilay tena tsara ka tsy misy hasolo
Ianao ilay Jiro fanala manazava ny tontolo

Ianao ry "....."! ilay tovovavy tena kanto
Vao mainka tiko be ny feonao milantolanto
Ny fijerinaw anahy, izay milaza fa tia
No mambabo ny fanahy votery hanoratra an'ity

Ny fitsikitsikinao izay avy ao am-po
No manambara ny fitiavanao ahy antsitra-po
Dia iny aho niondrika fa variana niereitreritra
Hoe: Ahoana no fomba? Inona ny fika? Inona ny ketrika?

"SAROTRA NY MITENY RAHA TOJO TENA TIANA
SAROTRA NY MANERY RAHA ANJARA SAFIDIANA
FA MORA NY MAMALY RAHA MISY FANONTANIANA
DIA MORA NIY MANAIKY NY FANGATAHAN'OLON-TIANA"
Ernest
--------
Rohy:
1538 1
Mpakafy: ernest15
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116