NOFY MAMY - ernest2015
Azo vakiana?
NOFY MAMY
Nisy tovovavy iray izay hitako nanaitr'anahy
tsara ny bikany, tsara tarehy, ary tsara fanahy
manao "Robe" fotsy toa mifintimpintina kely
Hey! mahafinaritra ahy, izany ka anjely.
Mamirapiratra, manintona ny maso sady manimanitra
toa manidina avy eny ambonin'ny habakabakin'ny lanitra
midina moramora izy manatona ahy
ny saiko te hiantso, fa ny vavako tsy sahy
Manotany tena aho hoe: inona no ataoko?
izy ity manantona, efa eto akaikiko
mitsikitsiky tsara izy mijery anahy
izaho koa falifaly, kanefa manahy
Rehefa tonga teto anilako izy nanontany ahy
hoe: "Iza ny anaranao ry zatovolahy?
Fa mba tiko raha ianao no alaiko ho vady
Izay no mahatonga ahy aty no matady"
Niahotra aho, no sady nangovitra kely
satria tampoka loatra nahitako ilay anjely
saingy niezaka ihany aho mba hanohitra
ilay fatahorana ato anatiko, sy ilay hovitra
Ka tsy nisalasala intsony aho niresaka taminy
izay vao tsaroako,kay ity 'lay nofy mamy
dia nofihininy aho,ka norohany mamy ny molotro
Eh..!toa any amin'ny Paradisa izany nofiko
Taitra aho nohon'ny maraina
tsy nampoiziko hoe nofy ririnina
hay 'lay izy nofy ihany
heveriko ho tene izy kay "NOFY MAMY"
daty: 29 Desambra 2014
Ernest
Mombamomba
Mpanoratra : ernest2015

Nampiditra : ernest15
Daty : 05/01/2016
Mpamangy : 2087
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
IARETAKO HATRANY IaretakoIZA MOA IANAO?
"IO FITIAVANA IO"
IZANY FIAINANAO?
FITIA TSY ANJARA
"Fandalovana Avokoa"
VEHIVAVY FITAOVANA IHANY
LAZAO FA TIA Efa ela iha
TIKO LOATRA IANAO Avelao
"TSORY AMIKO..."