ALOKA NISERANA. (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALOKA NISERANA...


Nodoninao ny foko
Dia lasa ianao nandeha
Navelanao ho tia...
Dia nilaozanao mangina
Ny hany mba tsaroako
Dia 'lay teninao hoe...
"Aleoko dia minia
Mandao anao ry tiana."


Dia...lasa ianao nandao
Tsy hitako tazonina
Tsy hiverina intsony
Eto anilako eto angamba
Veloma hoy ianao
Tamim_peo mimonomonona
Dia lasa koa ny fony
Ny ahy...nanjary jamba.


Kanefa anie ny saiko
Tsaroako mahatsiaro
Ny angolam_pahasambarana
Tsy haiko mba noferana
Ny zavatra ilaiko
Ianao tsy mifangaro
Tsy tiako hitambarana
Na aloka niserana.


Ny foko manantena
Fa mbola hiaona isika
Na aza hankahala
Ny foko ny fonao
Tsy ataoko hampahonena
Na inona hatsiaka
Lalovako malala a!
Kanefa...Tiako ianao.


Nodoninao ny foko
Dia lasa ianao nandeha
Navelanao ho tia
Dia nilaozanao mangina
…toa aloka niserana.


saino!
Fah Namby
11 jona 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
956 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 02:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132