ANDEHA AHO (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(Diary sendra hita.)

ANDEHA AHO


Mama a,
Farany androany
Andrenesanao ny feo avoakan'izato vavako
Eny, hatramin'ny tavako,
Anio no andro farany ahitanao azy kivy.

Fa...vao tonga ny amin'ny sivy
Dia vatana tsy miaina no ho hitanao an'efitro
Indrindra ny eritreritro,
Tsy hisaina intsony angamba
...ny misy niainantsika
Fa vata_mangatsiaka,
No sisa hovantanina eo ambony farafarako.

K'izany no hanafarako,
Dia hilazao koa Dada, fa...
tsy mila lambamena,
tsy mila voninkazo, arahin_tsoratsoratra
F'ireny hahatonga olatra an_tratranao sy Dada.
F'indrindra i Zandrikely,
Harary anie ny fony e,
Fa i Zoky lasa nody
any am_bary tsy mifody.

Mangataka aho ry Mama mba...
Tsy hasiam_piaretan_tory
amin'ny alim_pahafatesako a,
Moa ny kalo nimatesako, dory ireny ho may.
Fa mandrakizay
no fetra tsy himpodiako.
N'iza n'iza Mama, tsy hahasakana ny diako a!

Dia...
Etsy ianao fihiniko,
Fa ny ahy dia ho vimbiniko hatrany am_pasana any,
Ny alahelo sy tomany
Ny hakiviana sy ny sento.

Ary...
Ataovy tsara taiza i Zandrikely mamiko
Hankató hatrany ny marina sy rariny,
Ny fanajana sy ny tariny...
Fa ny diako anie ry Mama
efa mby an_dakana e!
Intsony tsy hisy hasakana.

Ora sisa isaina,
Dia...higadona ry Mama
'Lay fotoana hialaiko aina a,
Ka noho izany dia...
Tsy akory aho hoe mandroaka
Fa tiako ianao hivoaka ity efitrano ity,
Fa sao haratra saina
am_pialan'ny aiko.

Any aloha mifaly, any koa mitsiky.
Fa ampitso anie ry Mama,
Hijaly sy harary ny fonareo sy i Dada e,
Hatramin'i Zandrikely,
Fa lasa ny andrarezin'ny sento sy alahelo,
tato an_tokantranontsika
Fa zary nangatsiaka ny vatany sy fony,
Indrindra indrindra mantsy,
Tsy mba himpody intsony,

Veloma Mama a,
Veloma any amin'i Dada sy Zandrikely tiako
Fa hifarana ny diako...

saino!
FahNamby
16 aogositra 2015
--------
Rohy:
1032 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 02:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101