AZA HITSERANA. (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA HITSERANA.


Aza hitserana aho raha mety
f'avelao aho mba hizatra hanatanjan-tena,
eo an-kianjan-mpahantrana.


Aza hitserana ny fiainako
na tinazanao fa kivy sy noana mosarena,
fa heriko aza ireny.


Aza hitserana aho satria:
tsy izaho irery no tsy manana harena,
mbola maro any ho any.


Avelao aho f'aza hitserana
ny hafa aloha tolorana raha manana omena,
fa ny ahy io tsy maninona.


Eny e! aza hitserana aho ho'aho
fa sao ianao hitaky ny valina babena,
f'indrindra koa handatsa.


saino!
FahNamby
17 dec 2016
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
803 1
Mpakafy: RFahendrena
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 04:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155