AZA MBOLA HAVADIKA... (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza mbola havadika...


Aza maika hamadika ny pejy mbola banga fa...
Soraty an_taranoana ho rakitra sy diary
ny fiainana lalovana.
Aza mbola havadika fa sao ianao voapanga dia...
Haratra fo, ny saina koa harary
raha sendra fahatsiarovana.


Aza maika hamadika ny pejy teo aloha fa...
Misy zavatra ao tsy mbola takatrao!
Indrindra ny omaly,
Aza mbola havadika, dia saino tsara koa, hoe...
Nisy tsikitsiky ve voasoratrao io tao!?
Sao ianao hijaly.


Aza maika hamadika ny pejy nampahory fa...
Misy fifaliana ao an_joronjorony ao.
K'ireny no tadiavo!
Aza mbola havadika na nisy sorisory, dia...
Mba toneo ny fo raha tena torotorony,
Dia iny ianao fa ravo!


FahNamby_14/10/17
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
724 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 14/10/2017 08:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148