EFA VOASORATRA. (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EFA VOASORATRA...


Malala a!

Hofenoiko soratsoratra eo ivelan'ny fitia
...'zay hiombonantsika roa
Mba ho fantatry ny maro fa...
...izaho sy ianao dia mifankatia tokoa,
Eny e! mpifankatia isika...
Ataovy an_tsaina ho'aho fa:
"Ny fitia raha angalarina, tsy vokatry ny fo"
Ny efa manana ny tiany,
...tena ekeko ho fahadisoany
Raha mitia mangina an_dry
Ary indrindra indrindra moa, fa mamboraka fitia.


Hofenoiko soratsoratra eo ivelan'ny fitia
...mampitambatra ahy sy ianao
Mba ho mariky ny fo, miara_miaina sy mitepo
miara_ory sy misento ao anaty sedra maro
Ary izao fantaro...
Tsy ny elanela_mampisaraka ny foko sy ny anao
No hampiova ny voady sy ny dina efa najoro.
...Ny hampikoro ilay fitia?
Sanatria dia sanatria.


Hofenoiko soratsoratra eo ivelan'ny fitia
...ho porofo manambara fa,
Ny ahy sy ianao dia ho doria.
Ka na handalo taona maro
Ny ririni_mamanala, lohataona, fahavaratra
Tsy ho rava sanatria...
...n'iza n'iza koa hangalatra
F'efa feno soratsoratra eo ivelan'ny fitia.


saino!
FahNamby
17 jolay 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
831 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 02:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098