ENY ANTSENA ENY (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ENY ANTSENA ENY!

Misy zazakely mitombana ho mpangataka...
Misy zokibe mitady 'zay ho harapaka.
Misy tovovavy miranty jefijefy...
Fa misy tovolahy, tsy tiana ho voafefy anaty fiarahamonina.
Dia iny fa mangalatra ny efa nahasasatra.
Fa misy nefa olona jerena tongalafatra, kanefa eo ivelany.
Dia misy voninkazo mandranty irony felany.

Matetika fahita ny tranga toy izao:
Zaza bodo tsisy reny
No indro fa manatona mangatak'izay foy!
Zaza tsy matoy amin'ny resam_pitadiavana
No io mamono tena mitatitr'entan'olona.
Olona efa jamba no io atao mitolona
Mitaditady vola...
Rangahy 'ray efa sola sy hita ho tena goga
No toa mibaby zioga
Mitady fivelomana .

Etsy anefa misy
Olona mianjaika, mitafy sy mihaingo...
Jereo mitraingotraingo sy toa manavakavaka ny hafa tsy mba manana
Ny tongotra aman_tànana...
Voafatopato_drojo sy voarava_bolamena.
Mandeha mividy hena sy mivimbi_mofo mamy.

Oh! Fiainana eto 'zany e!

Rahoviana a isika Gasy vao hitovy raha jerena e!
Tsy misy ambony, ambany rehefa eny an_tsena!?

saino!
FahNamby
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
875 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 12/11/2017 03:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105