HATRAMIN'NY FARANY (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HATRAMIN'NY FARANY.


Fony ianao vao tazako
d'efa tsapako nidoboka mangina ho anao
Ny tao am_poko tao,
Tsy akory akia malala sangisangy 'zay voalazako a!
.
Fa aina mba naniry ny hitoetra anilanao,
Fotsiny tsy teny na fitaka tsy akory
Raha nilaza "TIAKO IANAO"
Tsy sanatria akia, anaitranao matory anaty nofy mamy
No antony hilazako fa "'zaho ho'aho babon_drÿ"
.
Raha resaka fitia
Manana ny atÿ a,
Malala a!
Tsy mirediredy na manao anao ho adrisa
Ka hampadry fahalemana ny fonao mantena fa...
Tia dia manambara e,
.
Tiako raha anjara ny mombantsika akia a!
Iriako akia malala raha...raisinao ho tady
hifamatorantsika ny fitia hifanolorana a,
Voady, dina, fampiakaram-bady no masaka ao an_dohako,
.
Toa zava_mahadomelina terena mba ho fohako ny misinao rehetra.
.
Indrindra akia malala,
'Zao fiarahantsika izao, tsy akory rendrarendra,
Na koa kisendrasendra ka hipetraka ho ditra,.
Fa tena hetaheta ny hiaraka ho doria,
Moa tsy sanatria hoe fitiavana miserana,
Fa fitia am_pandeferana maniry ny ho tontosa
anaty tokantrano.
.
Sambatra aho satria,
Tinao koa ny foko.
Isika hiara_dalana ao anaty fo mangina a!
.
Hatreto akia ry tiana,
Tsy misy ny hifarana a!
Tsy mba manam-petra ny foko tianao,
.
Ny foko manonofy,
Maniry an_drÿ ho anjarany,
Ry tiako sy lalaiko...
voadiko aminao ny "hitia hatramin'ny farany"
Mitia tsy misy sarany.


FahNamby
2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1719 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 02/09/2017 09:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0192