HIVADY ISIKA (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIVADY ISIKA


Tia anao ny foko, tinao koa ny amiko
'Zay telinao malala a, inoako koa fa laniko.
Ny toky sy ny dina, tsy mba hangatsiaka
Fa ho vato fehizoron'ny tokantranontsika.


Fitiavana mafihorina, ny antsika ry malala
Ka n'iza koa hanenjika, na iza hankahala
Intsony tsy hirodana, intsony tsy ho tomika
K'ho lapam_pifaliana ny tokantranontsika.


Ianao 'lay sarobidiko, mamiko indrindra
Tia ahy koa ianao, intsony tsy hifindra.
Isika tafatambatra, no taratra baliaka,
Hampomba hafanana ny tokantranintsika.


Izaho dia mahalala, f'isika samy tia
Voadintsika roa, ny ho doria doria,
Fitia mandrakizay, inoako fa tsy hipika
No zava_mifamaho an_tokantranontsika.


Rehefa samy tia, intsony tsy ho rava
'Lay volan'ny fitia, hiposaka sy hazava.
Ny fitiavantsika! Am_po no vita dika
Izay no fanirina, ao an_tokantranontsika.


FahNamby
29 Aogositra 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1429 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 17:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097