INY DADAKO INY... (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY DADAKO INY


Iny Dadako iny, andry fiankinako
masina sy tiako, ny zava-nitolomany
Babena voavaly, no tanjona sy dinako
Ravahako fitiavana, ny androm-pahavelomany.


Iny Dadako iny, tena Hery sarobidy
Nikaroka hatrany, ny hahasambatra ahy
Ady mafy, andraikitra, hatramin'ny adidy
Tsy nifararemotra, fa vonona sy sahy.


Tokana sy mamiko, hafa noho ny hafa
Nandefitra sy niafy tamin-javatra tsy tiany.
Ny fitiavany ahy! Am-poko tsy voafafa,
Rado fiambozoko, raha iny Dadako iny.


FahNamby
20 Aogositra 2017
--------
Rohy:
1113 1
Mpakafy: RFahendrena
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 04:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141