MAMIKO LOATRA. (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAMIKO LOATRA...


Mamiko loatra 'zay Neniko izay
Manam_pitiavana ho ahy hatrany
Mamiko loatra e! ho mandrakizay,
Tsy misy hahasolo raha mbola eto an_tany.


Mamiko loatra ny fomba fitaizany
Miteny ahy raha diso ny lalan'ombako
Mamiko loatra ny tena fahaizany
Mandamin_tsaina amin'izay hadalako.


Mamiko loatra tsy haiko hatakalo
Na inona zavatra mety hananany
Mamiko foana na inona handalo
Mamiko loatra fa tia ny taranany...


saino!
FahNamby
Mai 2017
--------
Rohy:
1044 1
Mpakafy: RFahendrena
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 03:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015