MARINA? (FahNamby)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MARINA?


Tsy mbola nisy marina, niseho an_karihary
Tsy mbola nisy marina ka hoe naseho an_tsary
...ho hitan'ny vahoaka.
Tsy mbola nisy marina niseho an_kalalahana,
Fa efa nisy marina, voageja sy voabahana
...Tsy afaka nivoaka.


Tsy mbola nisy marina niaina tamin_drotsiny
Tsy mbola nisy marina ka hoe nomena fotsiny
...ho an'ny sahirana.
Tsy mbola nisy marina naderadera foana,
Fa efa nisy marina, noterena ho moana
...ho very an_kodimirana.


Tsy mbola nisy marina ka hoe nankamamiana
Tsy mbola nisy marina, tsy nisy fijaliana
...na sentosento koa.
Tsy mbola nisy marina ka tsy nilamin_tsaina,
Fa efa nisy marina, indrisy niala marina
...nangahiahy tokoa.


saino!
FahNamby
18 jolay 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
805 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 28/08/2017 17:08
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107