REHEFA HARIVA (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA HARIVA


Rehefa hariva eny an_tampon'Ankaratra
Dia maloka koa 'zay ny lemak'Alaotra.
Fa Analamanga vontosin'ny taratra,
Andringitra kosa toa tsy afa_manoatra.


Rehefa hariva ny ranon'Ikopa
Dia takotakona koa 'zay Imamba.
Misosa mora malefam_pitopa,
Fa sasatry ny andro sy ny sasa lamba.


Rehefa hariva ny didin'Anosy
Dia Tsimbazaza no rakotra vorona.
'Reo lahy sy vavy niara_nitosy,
Mamonjy fodiana dia manara_morona.


Rehefa hariva ao anatin'ny Rova,
Dia mioman_ko maizina koa Andoalo.
Ambondrona kosa fiakaran_tsy miova,
Ka asakasak'izay tsy handalo.


Rehefa hariva ny lanitra ambony,
Dia Gasikara no toa manjoretra,.
Rahoviana ny hariva no tsy hisy intsony?
K'ho feno hazavàna ny tontolo rehetra.


saino!
FahNamby_Novambra 2015
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
983 1
Mpakafy: RFahendrena
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 14/10/2017 09:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141