REHEFA MATY AHO... (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA MATY AHO...

Rehefa maty aho,
dia aza voninkazo, no atao an_doa_fasako.
fa aleo soratsoratro e!
Ho marika ny lasako.

Rehefa maty aho
sanatriavo ny mamangy ny fasana hilevenako,
ary,...aza tsaroana akory
ny daty na fotoana, nialan'ny aina tamiko.
Fa ny kaloko antsaina raha...
banga anatinao ny tenako.

Rehefa maty aho,
aza hasiana vooninkazo ao an'efitra hitsorako,
aza hasiana hirahira,
fa ny kaloko vakiana, mba ho takatry ny maro...
'lay fitiavana naborako.

Rehefa maty aho,
sanatriavo ny hisaona,
hesory an_tsaina ny hitomany,
izao no tadidio...na voatery hifandao
mety isika mbola hiaona,
any an_tany paradisa.

Rehefa maty aho,
aza asiana fahatsiarovana hafa_tsy ny tononkaloko,
ao an'efitra fandriako,
ny hany koa mba hiangaviako,
ilay penina fitazoko
no fonosy anaty lamba mba tsy hisaraka amin'ny nofoko,

zay...
rehefa maty aho

saino!
FahNamby
Desambra 2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
1857 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 04:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097