RY TANIKO Ô. (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY TANIKO ô!


Ny hany zavatra tsaroako
Sady indrindra fahalemeko
Dia ny saiko sy ny foko
Tsy mitia ny Fireneko.


Mahangoly ny fanahiko
Sy mahalasa ny vinaniko
Saingy vitako sy sahiko
Ny mivarotra ny Taniko


Raha hanody ny natao
Dia hiriako mba ho neniko
Ny nanosihosy anao
Ry andriamanitry ny Teniko.


Angatahiko ho moana
Tsy hiteny koa ny vavako
Raha miteniteny foana
Mombanao ry Tanindrazako.


Ny angatahako indrindra
Sy mba zavatra hiriako
Mba hilamina sy hirindra
Ity Nosy tena tiako.


saino!
FahNamby
08 jolay 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
565 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 03:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098