TAZÓNY (FahNamby)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAZONY...


Andriamanitra ô!
N'inona n'inona mianjady amin'izato zanakao
Dia tolory saina hendry..
Tazony Tompo tsy hivily amin'ilay fitiavanao...
Amin-javatra kinendry.


Tsy mahefa n'inona n'inona raha ny vatako malia
Raha tsy miaraka aminao...
Efa very aho hatrizay, raha tsy niantso ianao "modia"...
Endrey, ny fiainako vaovao.


Andriamanitra ô!
Fantatrao tsy misy miafina ny rehetra anatiko ao,
Feno sota sy hotakotaka...
Kanefa ankehitriny mbola indray navotanao
Na dia latsaka t'am-potaka.


Eny, hifonako ry Tompo 'zay rehetra ratsy vita,
Avelao ny fahotako...
Dia esory anatiko ao, 'zay rehetra mety ho ditra
Indrindra koa ny hadalako.


Andriamanitra ô!
Tazony dia tazony tsy hiala an.tsandrinao
F'eo no mahatsara ahy,
Misy fiainam-baovao.


FahNamby
11 jolay 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
721 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 02:58
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103