Mpandresy (Fanaperana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Latsa-paka tanaty saina loatra ny hoe :
    " Ny ory tsy avan'ny manana "
Dia nikely aina fatratra nikatsaka ny soa

Natao sary tsara tenona tao am-po ny hoe :
   " Tafa no tanjona, tsy tokony hisy hahasakana"
Eny fa na ny mafy indrindra aza no hibahana

Indraindray mety miakarapoka, makafoky ny tolona
Fa tsy maninona izany , ny mahery ihany hono manko no finganina
Na efa fantatra aza hoe hivoaka ho mpandresy dia tsy maintsy mba sedraina

Indraindray potraka amin'ny tany , lavo tanteraka ambany
Fa ny volamena ihany hono mantsy no tsy maintsy halona asidra
Mba hahitana tsara ilay tarany manjopiaka, mamiratra aok'izany

    Ka natao vinakoka tsara kolo ny hoe :
" Ny milavo lefona no fadiana, fa na farariana aza "
Dia tsy maintsy mandroso, mitràka

Fanaperana
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
242 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fanaperana
Nampiditra : Domoina Fitahiana
Daty : 08/06/2024 17:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0634