Saino ! (Fanaperana)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...Impiry ianao nilady
Nidongy ny ho tiany
Nefa tsy norarahiany
Impiry ianao niangavy
Nitalaho fatratra ny ho valiany
Fa hatrany ianao nariany
Impiry ianao nilaza
F'hoe : Mila ny fitiavany
F'hatrany ianao nolaviny
Marina fa....
Ny fo tia , mahavita milady
Saingy , aoka kosa e!
Fitiavana io fa tsy sangy
Tsy fitserana no ilaina
F'ilay fitia tsy manam-petra
Dia...
Ity ataovy an-tsaina
Ianao raha tiany tsy navelany hitaraina
Ianao raha nankafiziny
Tsy navelany hitalaho lava ny fitiavany
Fa nomeny ankalalahana , nataony sambatra
Tsy navelany hisento an'ali-maizina
Na handrotsa-dranomaso noho ny aminy
Fa notoaviny fatratra, dia nokarakarainy
Ka mba saino ,
Sao ianao ilay fanaony kilalao fa tsy ilay tena tiany
Hiaraka aminy hamakivaky iny lalava iny
Fanaperana
21-02-2025
ʚʆɞ Minouche ʚʆɞ
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
Domoina Fitahiana
Hevitra mandeha
ikalamako
(
25/02/2026 16:42)
Fanaperana o, azafady : tsy azoko ilay nilady. Nila ady ve sa nitady fa diso tsipelina ?
ZavonaRakoto
(
26/02/2026 04:43)
Teny iray tarika amin'ny hoe nandady no fahazoako an'io teny io satria raha atao verin-droa ny hoe nandady dia lasa hoe nandadilady-----> lady no fototeny,Hihi
ZavonaRakoto
(
26/02/2026 04:45)
Miarahaba Ikalamako, Teny iray tarika amin'ny hoe nandady no fahazoako an'io teny io satria raha atao verin-droa ny hoe nandady dia lasa hoe nandadilady-----> lady no fototeny,Hihi
ikalamako
(
27/02/2026 20:20)
Aahhh mazava amin'izay. Sahirantsaina be aho hiantsa azy fa zay vao azoko. Misaotra fa nitombo iray indray ny voambolana miangola.
