... Tovovavy hono aho ... (Fanaperana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia ....
Tokony ho maontina amin'ny resaka fitafiana,
Tsy tokony hanao akanjo mampihetsika filàna
Fa izany no maha-dangitra ny lahy dia avy eo manolana

Hahaha ... fa fisainana avy aiza ?
Zareo no efa ratsy taiza ,
Zareo no efa tsy voahanatra tany
Dia nahoana aho no terena mba hanao izay hampilamina azy ?

Fa tovovavy hono aho ...
Dia mila mitandrina amin'ny fomba fiteny

Tsy haiko aloha a!

Hoe...
Fitsipika avy aiza no misy manamarina fa afaka manolana ny lehilahy
Rehefa mahita ahy manao akanjo manara-batana
Hoe ...
Meloka hono aho fa manana fomba fiteny mivantambatana

Dia bedesina
Rahonana
Lazaina fa jilajila e!
Makorelina fa ratsy fitafiana

Fa tovovavy hono aho...

Dia...
Maninona ?
Tovovavy aho fa manan-jo hanao izay akanjo mba tiako
manan-jo hiteny izay rehetra tena any am-poko
Manan-jo hiaina milamina tsy misy teritery

Fa tovovavy aho...

Dia aza terena hanao izay mety amin'ny lehilahy velively
Fa zareo no asaivo mba manova ny fomba fijeriny....

Fanaperana
--------
Rohy:
19 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fanaperana
Nampiditra : Domoina Fitahiana
Daty : 17/10/2024 10:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154