FIVAVAKO (FARA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIVAVAKO.


Niezaka aho, nikiry biby
Nitady izay rehetra mety.
Nefa tsy kinendrinao
Ka dia indro aho fa voafefy.


Raha izay no tendrinao dia ;
Hionona ny foko
Izay no zava-mahasoa
Ka manaiky aho re ry Tompo.


Omeo ahy ny fo mionona;
Omeo ahy ny saina tony.
HialĂ ko sy hiodonako.
Izany famoizam-po.


Ianao ihany re ry Ray;
No ametrahako ny fiainako.
Ny hevitra heveran’ahy;
Dia efa an-tananao ry Tompoko.


Amen ! Amen ! Amen !

Fara
15 mars 2006
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1134 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FARA
Nampiditra : Pety
Daty : 11/03/2008 09:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141