You are here: home > Vetso

MAHONENA... - FARA

Azo vakiana?


Manambàna ho avy;
Izany oram-pahavaratra.
Mitataho mampangovitra;
Ny hamaintin’iry rahona.
Mamikavika mafy ery;
Ny olona maneran-dalana


Ndeha ho aiza izy ireo ?
Ndeha hamonjy ny akaniny.



Indro zazakely iray;
Tsy mahita izay hodiaviny.
Mitoloko,manirery,
Tsy mba manan-dRay sy Reny,
Sady tsy mba misy akory
Akany azony hovonjena.
Fa manjejena mahonena



Koa raha mba ianao na izaho
No tamin’io toerana io :
Hamoy fo sa hiezaka hiarin-doha ?





FARA
31 Martsa 1999

Sokajy : Fahantrana

Hevitra mandeha

AINA77 (13/10/2008 16:25:36)

milay

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : FARA

Nampiditra : Pety
Daty : 25/09/2008
Mpamangy : 850
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

TSY TIA...
FIVAVAKO