You are here: home > Vetso

AHY IANAO - Felan' Angoty

Ahy ianao fa haiko
Eo anilanao, no hanaporofoiko sy afaka hamantarana
Eny ry lalaiko
Fa eo anilanao no tena nahatsapako ny tena fahasambarana
Eny hoy ny saiko
Teo anilanao no afaka fintinina ny lasan'ny farofy
Indro tanisaiko
Fa teo anilanao aho, ka tonga fanaperana ny "Vohitry ny Nofy"
Ahy ianao Malala
Ahy ianao rahavako
'Zaho koa tena tia
Koa raiso ny Fitiavako
Fa efa AHY IANAO

2018
Felan' Angoty

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Felan' Angoty


Nampiditra : FELAN_ANGOTY
Daty : 22/08/2019
Mpamangy : 85
Mankafy : 0
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

FANAFODIM-PITIA
DISO TIA ANAO

Hametraka hevitra

Midira aloha