You are here: home > Vetso

FANAFODIM-PITIA - Felan' Angoty

FANAFODIM-PITIA

Tonga daholo daholo Malala
'Lay tsy fahampiana ao anatiko ao
Tonga daholo ka dia mamanala
Rehefa indray aho ka tsy anilanao

Tonga daholo ka tsy afa-miala
'Reo somembisemby amanalin-ky isa
Tonga daholo ao an-tsaiko tsy miala
'Reo endrikao kanto ka voavisavisa

Tonga daholo daholo Malala
'Lay hanina anao ka dia indro misaona
Mijaly, Marary,Mila ho lasa adala
Ka toy ny vao omaly aho no tonga fotoana

Tonga daholo ny olana akia!
Soa teo ianao fanafodim-pitia

2018
Felan' Angoty

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Felan' Angoty


Nampiditra : FELAN_ANGOTY
Daty : 22/08/2019
Mpamangy : 117
Mankafy : 1
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

AHY IANAO
DISO TIA ANAO

Hevitra mandeha

Aro-Zo (22/08/2019 10:02:35)

miavaka sy mahafinaritra ny nanehoany azy! miavaka sy mahafinaritra ny nanehoany azy! ARO-ZO

Hametraka hevitra

Midira aloha