BABONAO (Felandrano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BABONAO

Babonao ny foko RY Malala
Eny,babonao tsy asiako salasala
Fa ny fiainako rehetra
Efa anao tsy asiana fetra

Ka na ho tsiky na tomany
Dia hijanona aminao ihany
Fa ianao no mahay mampifaly
Rehefa iny aho ka mijaly

Tia anao ny foko
Ka manomboka anio sanatria tsy ho toloko
Fa vonona ny hanara-dia
Tsy anio ihany fa ho doria

Felandrano
--------
Rohy:
94 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Felandrano
Nampiditra : Felandrano
Daty : 02/04/2024 10:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137