HO NAMANAO (Felandrano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO NAMANAO

Dia mpinamana eny foana Ny nifandraisantsika
Fotoana vitsivitsy,eny, efa ela ihany izay
Tsy nisaina Ny hanova na hamadika Ny dina efa vita
Fa mpinamana madio Dia atao ho ampy izay

Kanefa akia ialako tsiny
Eny,ifonako ihany koa
Fa angamba ataoko hoe Tsy safidy
Raha toa Ka babonao Ny fo

Efa niezaka aho hatramin'izay
Ny hanaiky anao ho namana
Kanefa inoako Fa Tsy fahotako
raha reko mahamay
Ao am-poko ao ilay fitiavana
Fitia mangina anao

Kanefa aza ianao manahy
Fa Ny tsapako ato anatiko
Tsy ho lazaiko na oviana
Eny,Tsy maniry koa hoe ho tia sy tiana
Fa ataoko ampy ahy Ny finamanantsika

Eny,namako ianao
Namako tsy foiko indrindra
Nefa akia hatramin'izao
Hiriako Tena hiriako
Raha izaho sy ianao no mba hiaraka hamindra
Andeha hidola sy hanjohy iny lalam-piainana iny
Eny,tsy ho mpinamana fotsiny toy ny ankehitriny
Fa ho mpifankatia tokoa
Eny,ka ho lasa "IRAY" ny roa

Indrisy,
Toa rediredy ihany
Izany tanisaiko izany
Nofy tsy ho tò
Fa toa mainka handratra fo
Raha sanatria mitohy

Ehh!! indrisy akia ry tiako
Fa tsy afaka aho ny hanjohy
Iny lalanao iny
Mijanona ho nofy,
Eny,nofy tsy hitohy
Fa tapitra eny rehefa izaho mifoha

Ohh!! Miezaka aho izao mampionona ny fo
Ary ekeko eny foana ny ho namanamanao
Eny,hijanona eto foana ho Tena namanao
Namana Tena hatokisanao

Felandrano
11-01-2023
18:50
--------
Rohy:
69 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Felandrano
Nampiditra : Felandrano
Daty : 02/04/2024 10:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145